4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Midina ianao fanahy - Ny Feo'Ray

Refrain (2fois)
Midina Ianao Fanahy ô
Fanahy masina ô midina Ianao
Miandrandra Anao sy ny herinao
Hanenika izao tontolo izao

Mba meteza indray ho fanilonay
Hanazava izay rehetra ho diavinay
Manatre ianao Fanahy Masina ô
Hamasinonao izao fotoana izao

Midina Ianao Fanahy ô
Fanahy masina ô midina Ianao
Miandrandra Anao sy ny herinao
Hanenika izao tontolo izao

Miteny:(Midina Ianao Fanahy
Fa mila Anao izahay
Mila Anao ny tenanay
Mila Anao ny fiainanay
Ianao ilay mampahery
Manafaka sy manasitrana
Meteza hiaraka aminay
Mandrindra ny andronay
Homba sy hitarika amin'ny làlanay
Midina Ianao Fanahy
Fa mila Anao zahay)

Fa fitiavana, fifaliana koa
Fahalemem-panahy, fiadanam-po
Izany rehetra izany no miandry anay
Izany rehetra izany no anjaranay

Refrain (2fois)

Partager midina ianao fanahy

Commenter midina ianao fanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Feo'Ray